Misy hafatra zary teny velona - Mitoera ao amin'ny fitiavako

1. Misy hafatra zary teny velona
 Napetraka ao am-pon'ny olombelona,
 Mirakitra fitiavana tokoa,
 Hoenti-miaina satria teny soa;
 Niantefa tamiko ny bitsikao
 Hotanterahiko hatramin'izao,
 Jesoa Tompo, hoy ianao teny an-dalako:
 Mitoera ao amin'ny Fitiavako.
 
2. Ny rantsana miaina amin'ny fototra
 Mamelana no sady mamokatra;
 Ny Ray 'zay monina ato amiko:
 Ny sitrapony hatrany no sahaniko;
 Tsy misy raha mbola fitiavan-dehibe
 Mihoatra noho izay mahafoy ny ainy anie,
 Io no hany tsiambaratelo hafarako:
 Mitoera ao amin'ny Fitiavako.
 
3. Mitoera ao amin'ny Fitiavako,
 Antsoiko hoe sakaiza ianao, fidìko,
 Tsy mpanompo intsony fa havako,
 Ho feno ao aminao ny hafaliako;
 Ireo teny izay naloaky ny vavako
 No hafatra tsy miova hatrizay,
 Ka mitoera ao amin'ny Fitiavako,
 Dia honina aminao koa ny Ray.
 
Ny Fanahinao e, Fanahin'ny Fitia
Hivimbina ahy hatrany hizotra izany dia,
Hivelona isan'andro etý an-tany etý
Hampita ny hafatrao, ô ry Kristy.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 531
Fihirana Hasina p. 314
Fihirana Vaovao p. 543
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1066