Masimbavy Terezy

Masimbavy Terezy, raisinay ny baikonao:
"Andriamanitra irery, ampy anay Andriamanitra".
 
1 Ny haravoana sy ny dera voninkazo ho maina anie;
 Ny Tompo kosa loharano tsy ho ritra mandrakizay.
 
2 Ireo harena sy ny vola taratasy hanidina;
 Ny Tompo kosa tena lova miavosa mandrakizay.
 
3 Hatanorana rehareha toa maraina miserana;
 Ny Tompo kosa soa indrindra no anjara mandrakizay.
 
4 Ny sentosento fijaliana mbola hisava fa rahona;
 Ny Tompontsika masoandro mibaliaka mandrakizay.
 
5 Mitebiteby mitaraina ny tsy manana hiankinana;
 Ny Tompontsika vatolampy, tokin'aina mandrakizay.
 
6 Ny fahoriana sy tomany haizimpito hisinda anie;
 Ny Tompontsika hazavana, paradisa mandrakizay.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Olomasina
Fihirana Hasina p. 311
Fihirana Vaovao p. 510
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0864