Mamin'ny foko, ry Jesoa, ny famonjena izay vitanao

1 Mamin'ny foko, ry Jesoa ô,
 Ny famonjena izay vitanao:
 Ny hadisoako navelanao,
 Tena afaka aho mandrakizay.
 
Jesoa malala ô, Mpamonjy soa,
Indro ny aiko raiso ho anao:
Velon-kanompo, velon-kanoa,
Vonon-kanao izay sitrakao.
 
2 Tano ny foko, ry Jesoa tia,
 Zaza tsy mahasaraka anao:
 Mbola malemy, mora mania,
 Tano hifikitra ao aminao.
 
3 Aoka ny foko sy ny fonao
 Hiara-mitepo tena iray;
 Aoka ny saiko sy ny sainao
 Hiray safidy mandrakizay.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 311
Fihirana Vaovao p. 432
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163