Izaho no Mpiandry ondry tsara

Izaho no Mpiandry ondry tsara:
Moa tia ahy ve ianao?
Fantatro, ry Tompo ô,
Ny fitiavako anao e.
Fahano àry ny zanak'ondriko,
Fahano àry ny reniondriko.
 
1 Mbola maro ireo ondrikeliko 'zay maniasia lavitra,
 Fa hangoniko, mba ho vala iray sy mpiandry ondry iray.
 
2 Fa ny aiko anie no nafoiko hanavotako anareo;
 Atolory koa ny fiainanao hanasoa ny ondriko.
 
3 Ny madinika hotiavinao, ny marary koa mba vangio;
 'Zay maniasia ento hiverina ho anaty vala indray.
 
4 Loharano soa, tanimbilona no omaniko ho azy ireo:
 Mba fahano re sao dia reraka, isan'andro hoentinao.
 
5 Paradisa soa, hasambarana no handraisako anareo:
 Solontenako, fa namahana 'reny zanak'ondriko. 
 

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 276
Fihirana Hasina p. 307
Fihirana Vaovao p. 462
Vavaka sy Hira p. 792
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747