Diso taminao aho, Tompo ô, avelao ny heloko

1 Diso taminao aho, Tompo ô,
 Avelao ny heloko, aza arianao,
 Aza arianao aho, Tompo ô,
 Aza arianao aho fa iantrao.
 
Mifona re, diovy ny foko  )
Hiverenako aminao.        ) (indroa)
 
2 Osa sy malemy aho, Tompo ô,
 Ka maniasia lavitra anao;
 Aza atosikao aho, Tompo ô,
 Aza atosikao aho fa iantrao.
 
3 Omeo fo vaovao aho, Tompo ô,
 Hanompoako anao an-kafaliana
 Sy hiderako ny anaranao,
 Hiderako ny anaranao, Tompo ô.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 303
Fihirana Vaovao p. 528
Karine Dera p. 532
Vavaka sy Hira p. 769
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096