Antsan'ny zava-boaary - Andriamanitra Avo indrindra ô, sady Tompo no Mpiantra

1 Andriamanitra Avo indrindra ô, sady Tompo no Mpiantra,
 E atolotray anao ny voninahitra sy ny dera,
 Sy ny laza aman-kaja ary ny hasina rehetra,
 Fa ianao irery ihany no sahaza an'izany,
 Ka tsy mendrika hanonona ny Anaranao ny olona. (indroa)
 
Koa miderà ny Tompo   Aleloia,
Ary ivavaho koa            Aleloia,
Sy tolory ny fisaorana
Amam-panajana feno,
Amin-kalemem-panahy. (indroa)
 
2 Hoderaina ianao, ry Tompo ô, amy zava-boaarinao,
 Fa indrindra hoderaina noho Razoky Masoandro
 'Zay mitarika ny andro hanilovanao anay;
 Eny, kanto sy mamiratra, mazava manjopiaka,
 Ary endrika amantaranay anao 'lay Avo indrindra. (indroa)
 
3 Andriamanitra Avo indrindra ô, sady Tompo no Mpiantra,
 Hoderaina anie ianao amy zava-boaarinao,
 Noho Ravolana havanay sy ny kintana alinkisa
 'Zay narindranao hitoetra eny anivon-danitra eny,
 Sarobidy sy mazava ary tena soa tokoa. (indroa)
 
4 Andriamanitra Avo indrindra ô, sady Tompo no Mpiantra,
 Hoderaina anie ianao noho Rarivotra havanay
 Sy ny tsioka iainanay mbamy rahona sy zavona,
 Noho ny lanitra madio, ny fotoana sy ny ora
 Amelomanao hatrany ireo voaarinao rehetra. (indroa)
 
5 Hoderaina ianao, ry Tompo ô, noho Irano havanay
 Sarobidy sy madio, mikoriana mahasoa,
 Hoderaina koa ianao noho Raafo havanay
 Itsilovana anay r'hefa maizina amin'ny alina,
 'Zay mahery sy tomady ary soa mahamirana. (indroa)
 
6 Andriamanitra Avo indrindra ô, sady Tompo no Mpiantra,
 Hoderaina anie ianao noho Ratany havanay,
 Sady Reny no manohana ary koa mitondra anay,
 Mahavokatra voankazo samihafa sesehena,
 Voninkazo maro loko ary bozaka aman'ahitra. (indroa)
 
7 Hoderaina ianao, ry Tompo ô, noho ireo mamela heloka,
 Mampiseho fa tia anao amy famindràny fo,
 Mahazaka ny aretina ary miaritra ny jaly:
 Eny, sambatra izy ireny, tsy miraika velively,
 Ka omen'ny Avo indrindra 'zany satro-boninahitra. (indroa)
 
8 Hoderaina ianao, ry Tompo ô, noho Rafahafatesana,
 Ilay havana tsy hain'ny olombelona idifiana;
 Eny, loza ho an'ny maty amin'ny ota mahavery,
 F'hasambaran'ireo tratrany manao ny sitrakao,
 Fa ny tena fahafatesana tsy hanan-kery aminy. (indroa)

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 302
Fihirana Vaovao p. 538
Vavaka sy Hira p. 778
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085