Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, ianao no hany tiako

1 Andriamanitra ô, Andriamanitra ô,
 Ianao no hany tiako, 
 Anjara lovako, anjara lovako.

2 Andro aman'alina aho, andro aman'alina aho 
 Mivetsovetso Anao
 Fa te-hahita anao, fa te hahita anao.

3 Ny faniriako, ny faniriako 
 Hanao ny sitrakao,
 Ho tia ny namako, ho tia ny namako.

4 Anao irery ihany, anao irery ihany 
 Ny foko sy ny saiko, 
 Ny andro iainako, ny andro iainako.

5 Tsy sitrapoko loatra, tsy sitrapoko loatra 
 Ny diso taminao:
 Osa ny nofoko, osa ny nofoko.

6 Matoky hatrany aho, matoky hatrany aho 
 Ny fialofako
 Ny fon'ny Zanakao, ny fon'ny Zanakao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fihobiana
Fihirana Dera p. 45
Fihirana Hasina p. 301
Fihirana Vaovao p. 299
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107