Noraisintsika ny Fanahy nananganan'Andriamanitra antsika ho zanany

Noraisintsika ny Fanahy
Nananganan'Andriamanitra
Antsika ho zanany e,
Ka ahafahantsika miantso azy hoe: Ray ô! (Rôm. 8, 15)

(Efezy 1, 3-10)
 
1 Hisaorana anie ny Rain'i Jesoa Tompontsika ô,
 Noho izy mitahy antsika avy any an-danitra any a:
 Fanahin'i Kristy Jesoa no nomeny antsika.
 
2 Isika efa nofidiny noho i Jesoa Tompo ô
 Talohan'ny nahariana izao tontolo izao a:
 Satria isika tiany ho masina tsy manan-tsiny.
 
3 Natokany mialoha isika olon-tiany ô,
 Hatsangany mba ho zanany am'i Jesoa Tompo a:
 Izany anefa no nataony dia ny sitrapony.
 
4 Andeha ary hankasitraka ity nataony ô,
 Nosoaviny tamin-Janany tokoa isika a:
 Ny Zanany 'zay namonjy antsika tamy Rany.
 
5 Navelany ny helotsika noho ny fahefany ô,
 'Zay nentiny an-tanan-droa hanasoa antsika a:
 Fa hendry izy, mahalala tsara izay ataony.
 
6 Naborany tamintsika koa ny fikasàny ô
 Mikasika an'i Jesoa Zanany, fa tiany isika a:
 Ka indro hotanterahiny amin'ny fotoany.
 
7 Tsy inona fa mba handrindra izao rehetra izao ô,
 Ireo any an-danitra any sy 'reo eto an-tany a:
 Hanaiky Filoha tokana, dia i Jesoa Tompo.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 106
Fihirana Dera p. 201
Fihirana Hasina p. 294
Fihirana Vaovao p. 321
Vavaka sy Hira p. 444
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009