Vonjeo 'zahay, ry Tompo, raha mbola tsy matory

Vonjeo 'zahay, ry Tompo,
Raha mbola tsy matory,
Arovy izahay rahefa tafandry. (Lk. 2, 29-32)
 
1 'Zao vao alefanao am-piadanana (ny mpanomponao)
 Araka ny teninao, ry Tompo.
 2 Ny masoko mahita ny famonjena (famonjenao)
 Avy aminao anie, ry Tompo.
 
3 'Zay namboarinao sy nirahinao (sy nirahinao)
 Ho an'ny firenen-drehetra, ry Tompo.
 4 Dia fahazavana hanilo re ('reo tsy mpino be)
 Sady voninahitra ho an'i Israely.
 
5 Ho an'ny Ray anie sy ny Zanaka (voninahitra)
 Ary koa ho an'ny Fanahy Masina.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 172
Fihirana Hasina p. 293
Fihirana Vaovao p. 307
Vavaka sy Hira p. 437
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125