Efa mandrorona ny andro

Efa mandrorona ny andro
Madiva ho rakotra haizina ny tany:
Mitoera re, Tompo ô, atý aminay(Lk. 24, 29) 

(Lk. 2, 29-32) 

1 Eny, Tompo,
 Am-piadanana tokoa ankehitriny
 Andefasanao ity mpanomponao:
 Dia ho to 'zay voalazanao.
 
2 Fa satria:
 'Zany masoko nahita miharihary
 'Zato famonjena 'zay nomaninao
 Ho an'ireo firenen-drehetra.
 
3 Hazavana
''Zay hanilo ny vahoaka eran-tany
 Fa kiady kosa sady reharehan'i
 Israely vahoakanao.
 
4 Eny, Tompo,
 Mendri-dera ny fitiavanao anay
 Fa nirahinao ho anay ny Zanakao
 Hampiadana anay rehetra.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 264
Fihirana Dera p. 232
Fihirana Hasina p. 292
Fihirana Vaovao p. 477
Vavaka sy Hira p. 437
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087