Efa manana ny tenin'ireo mpaminany isika

Efa manana ny tenin'ireo mpaminany isika
Ho fanilo manazava ao anatin'ny haizina
Mandra-piposaky ny masoandro e. (indroa) (2 Piera 1, 19-21) 

(Lk. 1, 68-79)  

1 'Ndeha hisaorana ny Tompo Andriamanitr'i Israely
 Fa namangy sy nanavotra ny olony tokoa:
 Indro tandro-pamonjena no najorony ho antsika,
 Avy amin'ny taranak'i Davida ilay mpanompony.
 
2 Fa izany rahateo no nambarany hatrany
 Tamy vavan'ireo mpaminany masiny fahiny:
 Hovonjeny amy fahavalontsika manko isika
 Sy halàny avy eo an-tanan'ireo mpakahala antsika.
 
3 Indro asehony fa namindrany fo ny razantsika
 Ka tandrovany ny fanekena masina nataony,
 Velirano tsy mifody, fianianana tsy miova,
 Dia tamin'i Abrahama Razambe iombonantsika.
 
4 Fa hoe 'sika dia halàny avy eo an-tanam-pahavalo,
 Fa tsy tiany hanompo azy amin-tahotra isika,
 Fa ho amy toetra masina sy marina tokoa
 Eo imasony, mandritra ny andro rehetra iainantsika.
 
5 Fa ianao anefa, anaka, dia indro fa izao
 Dia atao hoe Mpaminanin'izy Tompo Avo indrindra,
 Fa ianao no hizotra eo alohan'izy Tompo:
 
6 Hahafahanao mamboatra izay làlana hombany,
 Dia hatoronao ny olony ny tena famonjena:
 Famelana ny hadisoana sy ny heloka nataony!
 
7 Fa satria Andriamanitra namindra fo tokoa,
 Ka nandefa ilay Masoandro
 hamangy antsika avy any ambony,
 Dia masoandrony miposaka, fanilo manazava...
 
8 Manazava 'reo 'zay monina ao anaty haizim-pito
 Sy 'reo difotry ny alo-pahafatesana manara,
 Ka mba hitondrany antsika amy lalam-piadanana! 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 306
Fihirana Hasina p. 290
Fihirana Vaovao p. 519
Vavaka sy Hira p. 433
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1527