Sambatra ny mpiandry ondry

Sambatra ny mpiandry ondry
Nahita maso ny Zanak'Andriamanitra.
Sambatra isika mihoby ankehitriny
Ny nahaterahany ara-nofo.
 
1 Deraina, isaorana izy Tompo,
 Ny Tompo Andriamanitr'i Israely
 Fa izy efa tonga namangy antsika,
 Nanavotra antsika amy fahavalo.
 
2 Nanolotra antsika herim-pamonjena
 Avy amin'ny fianakaviana iray:
 Dia ny an'i Davida mpanompo tiany
 F'izany tokoa no efa nolazainy.
 
3 Fa teniny nentin'ny mpaminany,
 Dia ireo olomasiny fahagola:
 "Ny vonjiny hanala amy fahavalo,
 Hanafaka antsika amy mpankahala".
 
4 Noho izy nandala ny razantsika,
 Dia indro tsaroany ny fanekeny,
 Fa teny nomeny an'i Abrahama
 Ny hanafaka antsika amy fahavalo.
 
5 Am'izay isika afa-manompo azy
 Tsy anatin'ny tahotra sy ahiahy,
 Fa entin'ny fo tia sy mahatoky
 Ho eo anatrehany lalandava.
 
6 Ianao 'zao, anaka, no antsoina
 Ho 'lay "Mpaminanin'ny Avo indrindra",
 Hizotra anoloan'ny Tompo ianao
 Hamboatra ny làlana 'zay hombàny.
 
7 Ianao hanambara ny famonjena,
 Dia ny famelana ny hadisoana,
 Satria Andriamanitra fo miantra
 Mandefa masoandro hamangiany antsika.
 
8 Fanilo hanazava 'reo mitakiky
 Anatin'ny haizina mahafaty,
 Fanilo hanazava ny diantsika
 Am'lalam-piadanana lavorary.
 
9 Isaory ny Ray nanome antsika
 Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena;
 Hobio ny Fanahy niantsoana antsika
 Ho sambatra hibanjina ny mazava.


 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 339
Fihirana Hasina p. 288
Fihirana Vaovao p. 27
Vavaka sy Hira p. 432
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1438