Aza matahotra ianareo: mitady an'i Jesoa ianareo

Aza matahotra ianareo: Mitady an'i Jesoa ianareo,
Jesoa 'lay Nazareana, 'lay nofantsihana iny e.
Efa nitsangan-ko velona izy ka tsy mba eto intsony,
Aleloia. (Mk. 16, 6)

(Lk. 1, 68-79)
 
1 Deraina, isaorana izy Tompo,
 Ny Tompo Andriamanitr'i Israely
 Fa izy efa tonga namangy antsika,
 Nanavotra antsika amy fahavalo.
 
2 Nanolotra antsika herim-pamonjena
 Avy amin'ny fianakaviana iray:
 Dia ny an'i Davida mpanompo tiany
 F'izany tokoa no efa nolazainy.
 
3 Fa teniny nentin'ny mpaminany,
 Dia ireo olomasiny fahagola:
 "Ny vonjiny hanala amy fahavalo,
 Hanafaka antsika amy mpankahala".
 
4 Noho izy nandala ny razantsika,
 Dia indro tsaroany ny fanekeny,
 Fa teny nomeny an'i Abrahama
 Ny hanafaka antsika amy fahavalo.
 
5 Am'izay isika afa-manompo azy
 Tsy anatin'ny tahotra sy ahiahy,
 Fa entin'ny fo tia sy mahatoky
 Ho eo anatrehany lalandava.
 
6 Ianao 'zao, anaka, no antsoina
 Ho 'lay "Mpaminanin'ny Avo indrindra",
 Hizotra anoloan'ny Tompo ianao
 Hamboatra ny làlana 'zay hombàny.
 
7 Ianao hanambara ny famonjena,
 Dia ny famelana ny hadisoana,
 Satria Andriamanitra fo miantra
 Mandefa masoandro hamangiany antsika.
 
8 Fanilo hanazava 'reo mitakiky
 Anatin'ny haizina mahafaty,
 Fanilo hanazava ny diantsika
 Am'lalam-piadanana lavorary.
 
9 Isaory ny Ray nanome antsika
 Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena;
 Hobio ny Fanahy niantsoana antsika
 Ho sambatra hibanjina ny mazava.
 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 89
Fihirana Dera p. 174
Fihirana Hasina p. 288
Fihirana Vaovao p. 329
Vavaka sy Hira p. 430
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198