Toy ny kapoka maharary

Toy ny kapoka maharary ny voina mihatra,
Nefa tian'Andriamanitra Ray hahamasina antsika. (Heb. 12, 10-11)

(Jer. 14, 17-21)
 
1 Aoka ny masoko tsy hitsahatra
 Hitomany andro aman'alina:
 Ny fireneko niharan-doza,
 Feno ratra tsy hay sitranina!
 
2 Mba nojereko ny tany lemaka:
 'Ndreo ny maro lavon'ny sabatra;
 Mba nidirako ny tanàna:
 'Ndreo ny ripaky ny hanoanana!
 
3 Ny mpaminany aza, ny mpisorona:
 Mikarenjy samy talanjona!
 I Jodà izany dia nafoy!
 I Siôna efa nahatofoka!
 
4 Tompo ô, nahoana no dia mikapoka,
 Ka mamela ratra tsy sitrana?
 Fiadanana no nantsoina,
 Kanjo inona ity no gohina!
 
5 Fanasitranana no nandrasana,
 Kanjo tojo izay tsy nampoizina;
 Na 'zahay na ny razanay,
 Fantatray e fa samy meloka!
 
6 Aza hamavoina 'lay voninahitra
 Ao Siôna tanàna masina;
 Ary ilay fanekena vita,
 Aza hadino na ivadihana.
 
7 Saotra no atolotra an'Andriamanitra:
 Nahafoy an'i Jesoa Zanany,
 'Lay nisedra ny rofintsika,
 Mahalala ny hasarobidiny.
 
8 Dera ho anao, ry Fanahy Masina,
 Mankahery amin'ny andro sarotra,
 Mampivelatra ny finoana
 Sy mitantana anay ho masina!

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 237
Fihirana Hasina p. 282
Vavaka sy Hira p. 410
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091