Vatofototra roa ambin'ny folo

Vatofototra roa ambin'ny folo
Dia ny Apôstôlin'ny Tompo ô,
No nanorenan'Andriamanitra
Ny mandan'ny tanàna,
Dia ny Apôstôlin'ny Tompo.  (Apok. 21, 14)

(Izaia 26, 1-10, 12)

1 Fa manan-tanàna mimanda isika,
 Dia manda roa sosona miaro antsika:
 Vohay vavahady ilay firenena
 Mitandro ny rariny lalandava.
 
2 Fa izy no miadana tsy manahy
 Noho izy mitoky aminao, ry Tompo:
 'Nareo matokia azy Tompo hatrany,
 Ny Tompo tsy miova toa vatolampy.
 
3 Aetriny ireo naka toerana avo,
 Arodany koa ny tanàna ambony
 Hitovy torosy amy vovotany,
 Ho fanosihosin'ireo mahantra.
 
4 Ny lalan'ny marina mandrirano,
 Ianao manko no efa mandravona azy.
 Ry Tompo mpitsara ô, tongava ianao:
 Izahay dia matoky ny anaranao.
 
5 Ny alina, manina anao ny foko,
 Maraina, mikatsaka anao ny saiko,
 Satria raha mitsara ny tany ianao,
 Handresy ny fahamarinanao.
 
6 Avela ve ny heloky ny olon-dratsy?
 Minia mankahala ny rariny izy?
 Na monina anilan'ny marina aza,
 Ny ratsy fanaony tsy miova akory.
 
7 Matoky 'zahay zanakao, ry Ray,
 Matoky 'zahay mandry fehizay,
 Satria Zanakao no nirahinao
 Hitondra fiadanana ho anay.
 
8 Dia izy no fototra fehizoro,
 Iorenan'ny manda sy ny tanàna;
 'Zahay vato velona tsy hikoro
 Satria efa atambatry ny Fanahy.
 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 199
Fihirana Dera p. 251
Fihirana Hasina p. 280
Fihirana Vaovao p. 265
Vavaka sy Hira p. 400
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0474