Ny fijerin'ny mpangarika

(Iz. 2, 11-17)

1 Ny fijerin'ny mpangarika rehetra
 Hatanondrika;
 Ny avonavon'ny mpianjona rehetra
 Dia haetry;
 Am'izany andro izany izy Tompo
 No hasandratra.
 
2 Eny, hisy andro iray ho azy Tompo
 'Lay Mahery
 Ka izay mizahozaho sy miavona
 Hofongorany;
 Ny voamboana, ny sedera tsara volo,
 Hokapainy.
 
3 Eny, hisy andro iray ho azy Tompo
 'Lay Mahery
 Ka ny manda sy ny rova mafy orina
 Horavàny
 'Rony sambo fitaterana entam-barotra
 Hopotehiny.
 
4 Ny fijerin'ny mpangarika rehetra
 Hatanondrika;
 Ny avonavon'ny mpianjona rehetra
 Dia haetry;
 Am'izany andro izany izy Tompo
 No hasandratra.
 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 296
Fihirana Hasina p. 280
Fihirana Vaovao p. 505
Vavaka sy Hira p. 396
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099