I Jesoa Tompo hanangona firenena

I Jesoa Tompo hanangona firenena,
Raha tonga ny fotoana,
Ka havahany hisaraka amy ratsy
Ny olo-marina. (Mt. 25, 32)

(Iz. 33, 13-18)
 
1 Ianareo lavitra a, ianareo lavitra:
 Aoka hihaino ny teniko,
 Ianareo akaiky a, ianareo akaiky:
 Mahafantara ny heriko!
 Ny mpanota ao Siôna mihorohoro,
 Toy izany ny mpihatsaravelatsihy!
 
2 Ary iza kosa a, ary iza kosa
 No hahasedra ny memy?
 Zovy no hahatanty a, zovy no hahatanty
 Ny vain'afo tsy maty?
 'Reo mitory ny rariny raha miteny,
 Ka manaraka n'hitsiny raha mihary!
 
3 Tsy mandray tsolotra a, tsy mandray tsolotra,
 Tsy mba mifofo ain'olona;
 Fa manapi-maso a, fa manapi-maso
 Mba tsy hijery ny ratsy.
 Izy ireny no hiakatra ny tanàna,
 Dia tanàna mimanda tsy hay resena.
 
4 Tsy ho mosarena a, tsy ho mosarena,
 Ny fatsakany tsy ritra.
 Ilay Avo indrindra a, ilay Avo indrindra:
 'Ndeha ho deraina fa marina!
 Fa ny Zanany hitsara 'reo firenena,
 Ny Fanahiny miaro an'izay nantsoiny.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 211
Fihirana Dera p. 254
Fihirana Hasina p. 278
Fihirana Vaovao p. 527
Vavaka sy Hira p. 401
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009