Atrakao ny lohanareo

Atrakao ny lohanareo fa efa antomotra
Ny vonjy ho anareo. (Lk. 21, 25)

(Hab. 3, 2-4, 13-19)
 
1 Efa henoko, Tompo ô, ny lazanao,
 Mampiaiky ahy ny zavatra vitanao:
 Mba havaozy izy ireny raha sitrakao
 Ka ho fantatr'izao andronay izao!
 
2 Fa na tezitra mafy aza manko ianao,
 Aza hadino, ry Tompo ô, ny miantra anay.
 Avy any Temàna Andriamanitsika,
 He, ny Masina midina an'i Paràna.
 
3 Ka ny lazany hita eny an-danitra eny,
 Fiderana azy kosa no etý an-tany.
 Manjopiaka mamiratra ny hazavàny;
 Eny an-tanany taratra manan-kery.
 
4 Ny hamonjy no antony idinanao,
 Eny, hamonjy ny olom-boahosotrao;
 Koa ny tranon'ny ratsy nongahanao,
 Na ny vato ijoroany aza afakao.
 
5 Dia nasianao tsipìka ny lehibeny,
 Ny filohany akofa naelinao:
 Ny mamono ny marina no hafaliany,
 Mba hamiravirany azy am-pierena.
 
6 Ny soavaliny kanjo navarinao,
 Ka natelin'ny rano mangeniheny.
 Raiki-tahotra loatra aho nandre izany,
 Ka ny molotro maina sy nihararetra.
 
7 Dia ny taolako koa no nangorohoro,
 Ny famindrako lasa nivembena,
 Nefa indro aho miandry ilay andronao,
 Dia ny andro hamaliana ireo mpampahory.
 
8 Am'izany tsy hamontsina ny aviavy,
 Ny voalobony koa tsy hitondra voany,
 Ny ôlivany zara raha hoe hamony,
 Eny an-tsaha tsisy vokatra hahavita taona.
 
9 Ka ny ondry ao am-pahitra lany ritra,
 Ary ny omby ao am-bala tsy hisy intsony;
 Fa ny ahy dia ny Tompo no hafaliako,
 Ka miravo aho fa izy hamonjy ahy!
 
10 Eny, tongotra serfa izao ny ahy,
 Mailamailaka erý aho mitety havoana,
 Voninahitra anie ho an'ny Ray Mahery,
 Ho an'ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.



 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 149
Fihirana Dera p. 297
Fihirana Hasina p. 276
Fihirana Vaovao p. 23
Vavaka sy Hira p. 418
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093