Derao Andriamanitra any an-toerany

1 Derao Andriamanitra any an-toerany masina,
 Derao eny an-danitra isehoan'ny heriny,
 Derao amin'ny asany feno fahefana,
 Derao fa ambony lehibe tapitra ohatra.
 
2 Derao izy amin'ny feon'anjomara
 Derao izy amim-baliha sy lokanga,
 Derao izy amin'ny jejy sy sodina,
 Derao izy amin'ny dihy sy amponga.
 
3 Derao izy amin'ny feon'ny kipantsona,
 Dia amy kipantsona fienti-mamindra;
 Ny voaary rehetra izay manana aina
 Dia aoka hihira, hidera ny Tompo.
 
4 Derao Andriamanitra be voninahitra,
 Derao koa ny Zanaka fa voninahiny,
 Derao ny Fanahy noho izy nirahiny
 Hampientana antsika hihira ny anarany.
Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Vavaka sy Hira p. 385
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0268