Jerosalema, ianao Siôna

(Sal. 136)

Jerosalema,
Ianao Siôna tanindrazana,
O ry lanitra ô.
 
1 Teo amoron'ny onin'i Babilôna
 Izahay e nitomany, ry Siôna ô:
 Nahatsiaro anao, ry ilay Jerosalema,
 Ranomaso mikoriana!
 
2 Ny valiha sy ny harpa nahantonay
 Teo amin'ireo hazo malahelo:
 Lahasahan-dranomaso, tononkira mba fanao
 Dia toloko, dia ny sento ô!
 
3 'Reo nambabo anay dia nangataka
 Tononkira fiderana, hafaliana:
 'Reo nampahory anay, fahavalonay,
 Ny hany hira dia ny tsetra ô!
 
4 Firenena tsy mpino sy mpankahala
 'Zay tsy tia an'i Iaveh 'lay Tomponay:
 Te handre tononkira, tononkiran'i Siôna.
 Sanatria, sanatria re!
 
5 Na oviana na oviana raha manadino an'
 I Siôna sy ianao, ry Jerosalema:
 Tsy hahetsika aníe 'zao tanako izao,
 Dia ny tanako havanana!
 
6 Enga anie ka hipetraka sy hiraikitra
 Amin'ny laninaliko ny lelako,
 Raha sendra manadino an'i Jerosalema
 Fototry ny hafaliako!
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 48
Fihirana Hasina p. 269
Fihirana Vaovao p. 231
Vavaka sy Hira p. 375
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0585