Ankalazao ny Zanahary Ray

(Sal. 135)

1 Ankalazao ny Zanahary Ray,
 Mandrakizay ny fitiavany.
 Ankalazao ny Tompo Tsitoha,
 Mandrakizay ny fitiavany.
 Ankalazao Andriamanitra,
 Mandrakizay ny fitiavany.
 
2 Izy nanao zava-mahagaga...
 Izy nanao 'rony lanitra...
 Ary ny tany midadasika...
 
3 Izy nahary ireo fanilo be...
 Ny masoandro amam-bolana...
 Ary ny kintana alinalina...
 
4 Izy namonjy ny vahoakany...
 Israely tany Ejipta re...
 Izy nanao zava-dehibe...
 
5 Onja mahery, ranomasimbe...
 Indro vohàny mba ho lalana...
 Afa-mandalo ny vahoakany...
 
6 Ka noreseny ireny mpankahala...
 I Faraôna sy ny tafiny...
 Ôga mpanjaka sy ny Amôreana...
 
7 Izy nitondra ny vahoakany...
 Namakivaky tany efitra...
 Ho amin'ilay tanindrazana...
 
8 Fa ny Ray mahatsiaro antsika...
 Izy mijery sy mangoraka...
 Izy miaro ny madinika...
 
9 Ny fahavalo hofongorany...
 Ny manana aina hofahanany...
 Ankalazao Andriamanitra...
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 63
Fihirana Hasina p. 268
Fihirana Vaovao p. 123
Vavaka sy Hira p. 375
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0359