Aleloia, derao ny Tompo, aleloia

(Sal. 134)

Aleloia, (indroa), derao ny Tompo.
Aleloia, ry mpanompon'Andriamanitra ô,
'Zay mijanona ao an-tranon'ny Tompo
Mba hivavaka sy hisaotra an'Andriamanitsika.
 
1 Derao ny Tompo tsitoha,
 'Zay tiany vitany mora:
 Ny tany sy ny habakabaka,
 Ny hantsam-ben-dranomasina.
 
2 Derao ny Tompo fa tsara,
 Hobio ny anarany masina;
 Nofidin'ny Tompo ho vahoakany
 Ny taranak'i Israely.

3 Ny rahona ambony miserana,
 Ny orana sy kotro-baratra,
 Ny rivotra fatra-pimaona:
 Baikoin'ny Tompo Andriamanitra.
 
4 Mpanjaka maro no resiny,
 Nomeny antsika ny taniny;
 Fa izy Tompo mitsimbina
 Ny zanakao, ry vahoakany.
 
5 Ny sampy anie asan-tanana,
 Antsoina tsy afa-manavotra:
 Manam-bava ireny vao moana,
 Mana-maso vao tsy mahita.
 
6 Vahoakan'i Israely,
 Derao ny anaran'ny Tompo;
 Isika mpino rehetra,
 Hobio ny Tompo Andriamanitra.

 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 267
Vavaka sy Hira p. 373
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088