Tompo ô, ampianaro mivavaka izahay

Tompo ô, ampianaro mivavaka izahay. (indroa) (Lk. 11, 1)

(Sal. 133)
 
1 Ianareo rehetra manompo ny Tompo,
 Misaora ny Tompo,
 Ianareo 'zay manompo ny Tompo amin'ny alina
 An-toerany masina.

2 Asandrato ny tananareo ka misaora
 Ny Tompo tsitoha,
 Ary aoka izy anie hitsodrano anareo
 'Zay eto Siôna.

3 Koa andeha re hidera ny Ray 'zay mitahy
 Sy miambina antsika,
 Ary hisaotra ny Zanaka sy ny Fanahy
 'Zay niantsoana antsika.

 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 287
Fihirana Dera p. 243
Fihirana Hasina p. 266
Fihirana Vaovao p. 306
Vavaka sy Hira p. 369
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2113