Misaora ny Tompo, ry mpanompon'i Iaveh

Misaora ny Tompo, ry mpanompon'i Iaveh.

(Sal. 133)
 
1 Aoka hisaotra an'i Iaveh àry
 Ianareo rehetra mpanompon'Iaveh.
 
2 Ianareo izay manao fanompoana
 Mandritra ny alina ao an-tranon'i Iaveh.

3 Asandrato ny tananareo
 Anoloan'ny ôtely, misaotra an'i Iaveh.
 
4 Ilay nanao ny zava-drehetra,
 Dia hitahy anareo ao Siôna anie i Iaveh.
 
5 Voninahitra anie ho an'ny Ray,
 Ho an'ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.

 

Nampiditra Belle
Sokajy Fisaorana - Salamo
Fihirana Dera p. 170
Fihirana Hasina p. 266
Fihirana Vaovao p. 306
Vavaka sy Hira p. 368
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101