'Lay taranak'i Davida ara-nofo

'Lay taranak'i Davida ara-nofo
Dia i Jesoa Tompontsika re,
Natsangany ho velona mba hijoroany amin-kery
Ho Zanak'Andriamanitra. (Rom. 1, 3-4)

(Sal. 131)
 
1 Tsarovy i Davida sy 'zay nataony, ry Tompoko!
 Tsarovy ireo asa sy 'reo teny napetrany!
 F'ilay fianianana 'zay nataony dia fatratra,
 D'ilay dina masina izay naloaky ny vavany:
 
2 "Fa zovy àry moa aho no sahy honina ao an-dapako?
 Ho sahiko ve ny hiala sasatra eo am-pandriako?
 Izay torimasoko tsy ho tonga handrendrika!
 Ny masoko tsy mba hikipy, tsy ho rendremana!
 
3 Ambara-pahazon'ny Tompo trano fonenana,
 Dia lapa honenan'ilay Mahery sy Masina!"
 Fa indro lazaina hoe any Efrata ny Fiarany,
 Anatin'ny saha manodidina eo no napetrany!
 
4 Midira ao an-tranon'ilay Masin'ny Masina!
 Midira ao an-kianjany, miankohofa anoloany!
 Midira ao an-trano fonenanao re, ry Tompoko!
 Ka ento mba hiditra 'lay Fiaranao Masina.
 
5 Ny olom-boahosotra anie hitandro ny rariny,
 Hifaly, hihoby, hidera anao ny mpivavaka!
 Ny tavan'ilay voahosotrao aza atosika,
 Tsarovy i Davida mpanomponao re, ry Tompoko!
 
6 Hoy ny Tompo raha nianiana teo imason'i Davida:
 Ho an'izay naterakao ny seza fiandriananao;
 Ny taranany aoriana koa handimby azy eo,
 Raha mitandrina ny didy sy manaja fanekena.
 
 Fa ny Tompo dia nifidy an'i Siôna mba ho azy,
 Ka ataony Fitsaharany onenany hatrany.
 
7 "Fitsaharako maharitra ka tiako lalandava:
 Ny olo-mariny tolorako tsodrano mba ho soa,
 Ny mahantrany hataoko voky hanina avokoa,
 Ny mpisorony tafiako famonjena itokiany:
 
 Ny mpivavaka ao aminy hihoby an-kafaliana,
 Ka ataoko masin-teny sy malaza i Davida!
 
8 Hanomanako fanilo 'lay voahosotro hanjaka,
 Ary hataoko safo-kenatra izay mety ho fahavalony,
 Ka hamiratra eo an-kandriny ny satro-boninahiny".
 He! misaotra anao 'zahay, ry Tompo Andriamanitray.
 
 Fa natsanganao ho velona ho santatra ho anay,
 I Jesoa Zanakao tonga nofo toa anay.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 229
Fihirana Hasina p. 264
Fihirana Vaovao p. 524
Vavaka sy Hira p. 366
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0669