Matoky anao 'zahay, matoky anao, ry Tompo

Matoky anao 'zahay,
Matoky anao, ry Tompo,
Iaveh mpamindra fo.

(Sal. 129)
 
1 Anaty hantsana aho no miantso ny anaranao:
 Henoy ny feoko.
 Ny sofinao anie hihaino ny antsoko,
 Vavaka mitaraina.
2 Raha toa hotananao ny heloka vitanay,
 Iza no haharitra?
 Mpamela heloka ianao, mba hanajana anao,
 Tompo be indrafo.
3 Manantena anao, miandry ny teninao
 Ny foko sy fanahiko.
 Toy ny mpiambina miandry masoandro,
 'Zaho miandry ny Tompo.
4 Ao aminao, ry Ray, no misy ny indrafo
 Ary ny famonjena.
 Izy hanavotra 'reo zanak'i Israely
 Amin'ny ota rehetra.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 262
Fihirana Vaovao p. 279
Vavaka sy Hira p. 363
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096