Eny e! Tsy tonga ho an'ny olomarina i Kristy

Eny e! Tsy tonga ho an'ny olomarina i Kristy,
Fa ho an'ny mpanota. (Mt. 9, 13)

(Sal. 129)
 
1 Avy ato anaty hantsana aho, ry Tompo, no miantso.
 Tompo ô, henoy re 'zany feoko.
 Ho tandrin-tsofinao anie ny antsoko miangavy,
 He fa mitoreo izato feoko.
 
2 Raha tsikilovinao irony heloka natao,
 Zovy re, ry Tompo, no haharitra?
 Saingy eo anilanao no ahitako famelana,
 Toky ho ahy ianao ka dia toaviko.
 
3 Ny Tompo no antenain'ny fanahiko hatrany,
 Vonona aho miandry izany teniny.
 Manoatra ny mpiambina miandry ny maraina
 No aoka hiandrasantsika an'Andriamanitra.
 
4 Fa tsara fo endrey ka fanaperana izy Tompo,
 Avotra lehibe ka ianteherana.
 Dia izy no andrasan'i Israely hanavotra azy,
 Afaka tanteraka ny helony.
 
5 Isaorako tanteraka ny Raiko feno antra,
 Diso aho, kanefa dia navelany.
 Isaorako ny Zanaka Mpamonjy ny mpanota
 Ary ny Fanahy 'lay Mpanamarina.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana - Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 255
Fihirana Dera p. 250
Fihirana Hasina p. 261
Fihirana Vaovao p. 277
Vavaka sy Hira p. 363
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1667