Izay mamboly sy izay manondraka

Izay mamboly e, sy izay manondraka
Dia tsinontsinona avokoa e,
Satria ny Tompo ihany
No mampitsimoka ny voa.(1. Kor. 3, 7)

(Sal. 126)
 
1 Raha tsy ny Tompo no manorina ny trano e,
 Zary miasa foana 'zay manorina azy ireny;
 Raha tsy ny Tompo no miaro ny tanàna e,
 Zary miandry foana ny mpiambina mitily.
 
2 Eny, sasa-poana ianareo miari-tory,
 Taitra vao maraina nefa zara raha mba voky.
 Hafa ny olon-tiany, fa matory tsy manahy;
 Mbola eo am-pandriana dia tolorany sakafo.
 
3 Indro koa ny zanaka fa lova avy amy Tompo,
 Valisoa tokoa anie 'reo menaky ny aina!
 Hery ny tsipìka eny an-tanana mpiady,
 Hery koa ny zanaky ny fahatanorana!
 
4 Sambatra 'zay nahafeno kotra tam'ireny,
 Sambatra satria mahazo toky fa handresy:
 Tsy hitsanga-menatra raha misy fahavalo,
 Hiharihary marina tokoa ny fandreseny!
 
5 Saotra no atolotra ny Ray miahy antsika,
 Dera ho an'ny Zanaka 'zay eo anivontsika:
 Ary ny Fanahy 'zay itsofan-drano antsika,
 Aoka hoderaina amin'ny asa vitantsika.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 217
Fihirana Dera p. 234
Fihirana Hasina p. 260
Fihirana Vaovao p. 256
Vavaka sy Hira p. 362
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094