Na ilaozan'ny olona aza

Na ilaozan'ny olona aza aho,
I Kristy mitsangana eo anilako,
Ary mankahery ahy. (2Tim. 4, 16-17)

(Sal. 124)
 
1 'Zay matoky ny Tompo tsitoha,
 Ho sahala amy Jerosalema!
 Marim-pototra toa vatolampy,
 Tsy hihontsona mandrakizay.
 
2 I Siôna tanàna mimanda,
 Voahodidina vohitra avo;
 Fa ny Tompon'ny tafika kosa
 No mba mandan'ireo nofidiny!

3 Tsy hanjaka amin'olo-mahitsy
 Raha ny herin'ny ratsy fanahy,
 'Ndrao ny marina koa no ho lavo,
 Ho voatarik'ireo olon-dratsy!
 
4 "Hasoavy ny olo-mahitsy,
 Fa ireo 'zay mandika ny didy:
 Akipaho miaraka amin'ny ratsy;
 Andriamanitra marina ianao.
 
5 Aoka hiadana i Israely
 Mba hisaorany anao, ô ry Ray;
 Zanakao no miandany aminay:
 Manan-kery handresena izahay!"

 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 204
Fihirana Dera p. 256
Fihirana Hasina p. 259
Vavaka sy Hira p. 360
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096