Talohan'ny nahafatesany i Jesoa

Talohan'ny nahafatesany i Jesoa
dia anhita an'i Maria sy 'lay mpianatra malalany
'zay nilazany hoe: "Indro ny reninao"

(Sal. 86)

1- Ry Siôna, ry siôna !
eny an-tendrombohitra masina
no naorin'ny Tompo ianao,
Ilay Tompo tsy mahafoy anao 
ô!

2- Ny fonenan'i Jakôba,
maromaro ihany izy ireny,
f'ianao no andrian'ny fony 
ô,
tiany mihoatra ny sisa rehetra.

3- Ry Tanànan'Izy Tompo !
Andriamanitrao mitantara
zava-maro malaza tokoa,
'zao no tena anandratany anao !   

4- "I Rahaba s'i Babela :
mahafantatra ahy izy ireo,
Ary i Tira s'i Filistia 
ô,
ary i Etiôpia sy ny hafa,

5- 'Zao no ambara momba ireo :
izy hono, teraka tao !"
I Siôna tsy tahaka izany :
"Ny rehetra no teraka tao !"

6- Ny Avo indrindra, ry Siôna ô,
manamafy orina anao !
Hosoratany anatin'ny boky
ny vahoaka fa "teraka tao".

7- Ny andriana eran-tany,
toy ny zanakao tsisy hafa !
Izy ireo samy faly milaza :
fa ianao loharano niaviany.

8- Ry Siôna Vaovao,
aoka isaorantsika ny Ray
nosoratany ny anaranay,
azo antoka mandrakizay.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 386
Fihirana Vaovao p. 314
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091