Sambatra ny mpanompo tratran'ny Tompony miambina

Sambatra ny mpanompo
Tratran'ny Tompony miambina,
Fa ny Tompony handroso sakafo ho azy,
Sy hampipetraka azy mba hihinana. (Lk. 12, 37)

(Sal. 122) 

1 Ry Tompoko, ianao 'zay mitoetra any ambony,
 Ny masoko miandra mibanjina anao:
 Sahala amin'ny mason'irony mpanompo,
 Miandra ny tanan'ny tompony hatrany.
 
2 Sahala amin'ny mason'ny mpanompovavy
 Miandra ny tanan'ny tompony hatrany:
 Iantrao re 'zahay, Andriamanitra Tompo,
 Fa vokin'ny eso, efa tofoka loatra!
 
3 Ny tretrika manko dia faly mandatsa,
 Ny mpiavona revo manebaka anay.
 Isaorana ianao Andriamanitra Ray,
 Satria sitrakao ho mpandova izahay.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 193
Fihirana Dera p. 245
Fihirana Hasina p. 258
Fihirana Vaovao p. 184
Vavaka sy Hira p. 358
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009