Feno hafaliana aho raha nilazana hoe

(Sal. 121)

Feno hafaliana aho raha nilazana hoe:
Andeha isika ho any an-tranon'
Ny Tompo Andriamanitra.
 
1 Tapitra ny dianay
 Eto am-bavahadinao, ry Jerosalema ô.

2 'Ndreto re ny foko maro
 Hankalaza anao anio, ry Jerosalema ô.

3 Ao koa no hitsaràna
 Ny vahoakanao rehetra, ry Jerosalema ô.

4 Noho ireto rahalahy,
 Dia ho lava ny andronao, ry Jerosalema ô.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 256
Fihirana Vaovao p. 95
Vavaka sy Hira p. 354
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0457