Hoy i Kristy: tsy izay miantso hoe

Hoy i Kristy: tsy izay miantso hoe:
"Tompoko, Tompoko" no tena mpianatro,
Fa ireo manatanteraka ny sitrapon'ny Raiko
'Zay any an-danitra, 'zay any an-danitra
. (Mt. 7, 21)

(Sal. 118)
 
1 Miantso anao ny saina, fo, fanahiko,
 Mba valio hatrany re, ry Tompoko,
 Ny fitsipikao hotanterahiko!
 
2 Indro ianao irery no antsoiko,
 Ka vonjeonao aho, ry Tompoko,
 Hotandremako ireo nambaranao.
 
3 Mbola tsy mazava ny atsinanana,
 Dia efa velona antso mitaraina aho,
 Miandry am-pitokiana 'zany teninao.
 
4 Mihoatra ireo mpiambina amin'ny alina,
 Zara raha mikipy 'tony masoko,
 Dia ny didinao no saintsainiko!
 
5 Mba henoy ny talahoko aminao,
 E! Tsy manam-petra ny hatsaram-ponao!
 Ny fitsarànao anie hamelona ahy.
 
6 'Reo mpanenjika ahy indreo manatona,
 Sy miray tetika amin'ny heloka,
 Ny lalàna atoronao nilaozany!
 
7 Fa ianao tsy lavitra, ry Tompoko,
 Marina avokoa ny didinao,
 Teninao no marina ifikirako!
 
8 Efa hatry ny ela d'indro fantatro,
 'Lay fanambaràna mba hamonjy anay,
 Dia naorinao ho marim-pototra.
 
9 Koa deraiko ianao, ry Ray mpiahy anay,
 Zanakao no lalana sy fiainanay,
 'Lay mitondra anay hanao ny sitrakao. 
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 247
Fihirana Dera p. 253
Fihirana Hasina p. 253
Fihirana Vaovao p. 461
Vavaka sy Hira p. 353
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0679