Mizotra ny lalako

Mizotra ny lalako,
Ampian'Andriamanitra,
Ho any an-danitra any
Fonenan'ny velona.
 
1 Mba tiako anie izy Tompo,
 Henoiny antso aho,
 Mampandry sofina izy
 Handre ny feoko.
 
2 Mamela-pandrika hisompatra
 Ny fahafatesana,
 Fa izy Tompo no antsoiko
 Ka dia voavonjy aho.
 
3 Ny Tompo antra sy marina,
 Mahay mangoraka,
 Miaro ireny madinika,
 Mijoro ho heriny.
 
4 Ny diako tsy ho solafaka,
 Ny maso tsy hitomany,
 Ny aiko tsy mba ho faty,
 Velominao, Tompo ô.
 
5 Matoky aho na enjehina
 Ka farafahoriana:
 Tsy hoe tsy ontsa ny Tompo,
 Raha mila ho faty aho.
 
6 Tapahinao ny fatorako,
 Endrey voavonjy aho:
 Ka tonga hanolotra sorona,
 Hisaotra anao, Tompo ô.
 
7 Efaiko anio ny voadiko,
 Hihoby ny anaranao:
 Hidera anao ny Fiangonambe,
 Andriamanitra ô.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fidirana - Salamo
Fihirana Dera p. 163
Fihirana Hasina p. 248
Fihirana Vaovao p. 81
Vavaka sy Hira p. 345
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0822