Jereo an-tanan'ny Pretranao

1 - Jereo an-tanan'ny pretranao,
Jereo ny Hostia atolotray
Ho tonga Vatan'ny Zanakao
Ho Sorona famonjena anay.

2 - Anaty kalisy ny divay
Jereo koa asandratra aminao
Hovana ho Ran'ny Zanakao
Ho Ra mpanadio ny otanay.

3 - Ny mofo sy ny divay anie,
Tandindon'ny hasasaranay,
Atolotray Anao manome
Ho mariky ny fisaoranay.

4 - Ry Tompo, jereo ny fonay
Atolotra Anao toy ny Hostia
Hadio sy ho mendrika Anao izahay
Anao ny fonay, Anao doria.
 

 
 

 

 

 

 

 

Nampiditra pissoa
Sokajy Fanolorana
Fihirana Dera p. 80
Fihirana Hasina p. 545
Fihirana Vaovao p. 363
Vavaka sy Hira p. 727
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009