Atolotray, ry Tompo, ny mofo sy ny divay

1 - Atolotray, ry Tompo,
Ny mofo sy ny divay
Ambonin'ny otely ;
Mba raiso ka ovao
Ho Vatana, ho Ranao.

2 - Atolotray, ry Tompo,
Miaraka amin'ireo
Ny tenanay tontolo ;
Mba raiso ka ovao
Ho Sorona masina.

3 - Atolotray, ry Tompo,
Atolotray ho Anao
Ny fonay manontolo ;
Mba raiso ka ovao
Ho Anao mandrakizay.

4 - Ekeo ny tolotray,
Ry Tompo malalanay,
Na dia tsy mendrika aza,
Ho Sorom-pamonjena
Izao tontolo izao.

Nampiditra pissoa
Sokajy Fanolorana
Fihirana Dera p. 73
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0524