Kintana vao mamirapiratra

1 - Kintana vao mamirapiratra
Miseho atsinanana any,
Hanitsy dia izay nania
Ka hanambara lalam-bao.
Mpanjaka telo no momba azy
Mandroso ho any Betlehema
Hanaiky sy hitondra hasina
Amin'i Jesoa Tompontsika.

2 - Tsy olom-bitsy no nantsoin'
Ny Tompo tany Betlehema
Fa ny karazana rehetra
No tiany hankaminy.
Ireo solon-tenantsika
Nitondra ny fisaorantsika
Fa sambasambantsika ireo
Sy lohan'ny firenentsika.

3 - Hitan'i Jesoa ny hamafin'
Ny fijaliana entintsika :
Ny fony main'ny fitiavana
Nampidina Azy tamintsika.
Izy mitondra hazavana
Hanilo ny fanahintsika,
Hanala ny fanao ratsy
Izay asesik'i Satana.

4 - Zaza notompoin'ny Majy,
Raiso ny fanompoako,
Zaza atahoran'ny demony,
Ekeko ny fitondranao ;
Natsanganao ho zanaka aho
Tanatin'ny Eglizinao,
Ka ataovy mora entina aho
Mba hiditra any an-danitrao.

Nampiditra pissoa
Sokajy Noely
Fihirana Dera p. 108
Fihirana Hasina p. 555
Fihirana Vaovao p. 390
Vavaka sy Hira p. 682
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088