Misy rantsana mitsiry amin'ny fototr'i Jese

1 - Misy rantsana mitsiry amin'ny fototr'i Jese,
Misy solofo feno ny herin'i Iaveh.

Fiv: Noely, noely, noely, indro tonga Zazakely,
Noely, noely, noely, hanavotra an'Israely
Ny Tompo tsitoha, noely, noely.

2 - Izay osa matokia, ary izay ory mihirà,
F'indro ny Mpamonjy no fanomezan'i Iaveh.

3 - 'Lay Mpanavotra mahery no mpanome fiadanam-po,
Ka mifalia 'reo 'zay tsara sitrapo.

4 - Dia mandray anao ny Nosy, ry fanomezan'i Iaveh
Ary mba raiso 'zany fisaoran'ny fonay.

Nampiditra pissoa
Sokajy Noely
Fihirana Dera p. 107
Fihirana Hasina p. 606
Fihirana Vaovao p. 32
Vavaka sy Hira p. 674
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.07