Manatóna, ry kristianina

1 - Manatóna, ry kristianina
Eto akaikin'ny tranon'omby ;
Indro tonga izao 'lay Mesia
Jesoa Zazakely Mpamonjy antsika.

Fiv: Noely re no hiranay
Noely re, faly izahay
Noely fety mamy
Noely, noely, noely, noely.

2 - Hafaingano re 'zany dia
Mba hitsaoka 'lay Mesia :
Be fitiavana ny mpanota
Dia nanetry teny ny Tompo tsitoha.

3 - 'Ndeha isika hamaly fitia
Hankasitraka 'lay Mesia :
Inona ary no valim-po ?
Ny tolotry ny fo, tena zava-tsoa.

Nampiditra pissoa
Sokajy Noely
Fihirana Dera p. 106
Fihirana Hasina p. 568
Vavaka sy Hira p. 668
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009