Alina masina, mifalia, mihobia

1- Alina masina, mifalia, mihobia :
Tonga ilay vahiny kely, 'lay Mpanjakan'ny anjely.


Fiv: Tonga soa ry Jesoa o, tonga soa ry Jesoa.

2 - Alina masina, kintana mirana
No manemitra ny lanitra, voninahitr'Andriamanitra.

3 - Alina masina, lasa re ny haizim-be :
Hazavana moa izany, fiadanana eran-tany.

4 - Alina masina, fo madio no irio :
I Josefa anie sy i Maria no manotrona ny Mesia.

5 - Alina masina, miravoa, mikaloa,
Ry anjely alinkisa avy any am-paradisa.

6 - Alina masina, mba jereo ka vonjeo
Ny taranaka amam-para eto Madagasikara.
 

Nampiditra pissoa
Sokajy Noely
Fihirana Dera p. 103
Fihirana Hasina p. 376
Fihirana Vaovao p. 388
Vavaka sy Hira p. 676
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151