Avia ianareo nosoavin'ny Raiko

Avia ianareo nosoavin'ny Raiko,
Avia hisaotra azy. (Mt. 25, 34)

(Sal. 112)
 
1 Derao, ry mpanompon' ny Tompo, (aleloia...)
 Derao ny anaran'ny Tompo;
 Tsarovy ny anaran' ny Tompo,
 Na izao na ho mandrakizay.
 
2 Tongava marain-tsy hariva
 Hidera ny anaran' ny Tompo.
 Ambonin' ireo firenena:
 Ny lazany avo dia avo!
 
3 Moa misy mitovy amy Tompo?
 Ny Tompo mitoetra any ambony,
 Ka miondrika izy mijery,
 Na lanitra izany na tany.
 
4 Alàny amy fako ny ory,
 Esoriny avy eo ny mahantra:
 Apetrany anilan'andriana,
 Andriana izay fanta-bahoaka.
 
5 Ny momba amponeniny an-trano:
 Niteraka maro ka faly.
 Isaory ny Ray tia antsika:
 Ny ainy efa nomeny antsika.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 198
Fihirana Hasina p. 246
Fihirana Vaovao p. 243
Vavaka sy Hira p. 342
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.245