Ny rako fanekena vaovao

Ny rako no fanekena vaovao,
Izay haharitra mandrakizay,
No indro hanasako,
Ny otan'ny vahoaka rehetra.

1 Deraiko amy foko tontolo ny Tompo
 Anatrehan'ireo olo-marina (Aleloia),
 Ao anivon'ny Fiangonambeny:
 Lehibe manko ny asan'ny Tompo.
 
2 Madera tokoa 'zany asan'ny Tompo,
 Ka tsy maty ny fahamarinany (Aleloia),
 Ka ny lazany koa tsy ho very,
 Hotsarovana mandrakizay.
 
3 Mitsimbina, eny, miantra ny Tompo,
 Ka omeny sakafo ny olona (Aleloia),
 D'ireo olona mino ny Tompo,
 Nananganany 'lay fanekena.
 
4 Nasehony koa ny herin'ny Tompo,
 Anatrehan'ireo 'zay voafidy (Aleloia),
 D'ireo olona mino ny Tompo,
 Nananganany 'lay fanekena.
 
5 Nasehony koa ny herin'ny Tompo,
 Anatrehan'ireo 'zay voafidy (Aleloia),
 Ka ny lova omeny azy ireo
 Dia ny lovan'ireo firenena.
 
6 He! marina sady mahitsy ny Tompo,
 Ka ny lalany azo itokisana (Aleloia),
 Marim-pototra, tsy mba mikoro,
 Ka maharitra mandrakizay.
 
7 Nandray famonjena ny olom-boafidy,
 Fanekem-baovao no iorenany (Aleloia),
 Ka mijoro ho mandrakizay:
 Eny, masina manko ny Tompo.
 
8 Ny tahotra santatry ny fahendrena,
 'Zay manoa ny Tompo ho velona (Aleloia),
 Ka ho feno ny fahalalana,
 Tsisy fetra ny lazan' ny Tompo.
 
9 Anao re, ry Tompo, ny dera sy laza,
 Fa ilay Fanekem-pihavanana (Aleloia),
 D' ilay tokana mendrika anao,
 No manafaka anay amin'ny ota.

Nampiditra Belle
Sokajy Paka - Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 181
Fihirana Hasina p. 243
Vavaka sy Hira p. 338
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168