Midera anao sy misaotra anao e 'zahay Andriamanitra ô

(Sal. 110)

Midera anao sy misaotra anao e
'Zahay, Andriamanitra ô,
Satria ianao no namonjy anay
Ka nahazoanay ny fiainana.
 
1 Ny ato anatiko, ry Tompo ô
 Hidera anao tokoa, ry Tompo ô
 Hihira ny asanao, ry Tompo ô
 Ny andro iainako, ry Tompo ô
 
2 Ny asanao, ry Iaveh, ry Tompo ô
 Fiamboniana, ry Tompo ô
 Mandrakizay, endrey, ry Tompo ô
 Ny fahamarinanao, ry Tompo ô
 
3 Ny fahatsiarovana, ry Tompo ô
 Ny asa vitanao, ry Tompo ô
 Dia mipetraka, ry Tompo ô
 Be indrafo ianao, ry Tompo ô
 
4 Nomenao hanina, ry Tompo ô
 'Reo 'zay matahotra, ry Tompo ô
 Tsy mba mivadika, ry Tompo ô
 Mandrakizay ianao,ry Tompo ô
 
5 Nahariharinao, ry Tompo ô
 Ny herin-tsandrinao, ry Tompo ô
 Ho lovam-pirenena, ry Tompo ô
 Hatolotrao anay, ry Tompo ô
 
6 Ny asan-tananao, ry Tompo ô
 Dia rariny tokoa, ry Tompo ô
 Tsy mety miova re, ry Tompo ô
 Ny didy nomenao, ry Tompo ô
 
7 Mitondra famonjena, ry Tompo ô
 Ho an'ny vahoaka ianao, ry Tompo ô
 Nanao fifanekena, ry Tompo ô
 Mandrakizay ianao, ry Tompo ô
 
8 Ny anaranao, ry Iaveh, ry Tompo ô
 Dia mahatahotra, ry Tompo ô
 Ny tahotra an'i Iaveh, ry Tompo ô
 No loham-pahendrena, ry Tompo ô.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 59
Fihirana Hasina p. 243
Fihirana Vaovao p. 262
Vavaka sy Hira p. 336
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1512