Efa nomena ahy ny fahefana

Efa nomena ahy ny fahefana
Any an-danitra sy etý an-tany;
Koa mandehàna ianareo,
Ataovy mpianatro ny firenen-drehetra. (Mt. 28, 18-19)

(Sal. 109)
 
1 Hoy Andriamanitra tamin'ny Tompoko:
 Avia mipetraha eto ankavanako
 Ho mandra-panaoko ny fahavalonao
 Ho tonga fitoeran'ireo tongotrao.
 
2 Ny tehinao mahery hahinjitry ny Tompo
 Avy ao Siôna, avy any an-danitra;
 Koa dia manjakà ary koa mandidia
 Hatreo ampovoan'ny fahavalonao.
 
3 Anao ny fiandrianana hatram'ny vao teraka,
 Fa masina ianao, ary enim-boninahitra
 Manerana ireo tendrombohitra masina
 Sy voatsodrano hatrany am-bohoka.
 
4 Izao no fianianana avy amin'ny Tompo:
 "Ianao dia Mpisorona mandrakizay,
 Ka toy ny fanaon'i Melkisedeka"
 Nianiana ny Tompo ka tsy mba hanenina.
 
5 Ny Tompo hijoro eo ankavananao,
 Ho vinitry ery hanamongo mpanjaka;
 Hisotro am'ny riaka eny an-dalana izy,
 Hitraka ny lohany, hijoro mahitsy.
 
6 Derao ny Ray be fitiavana antsika,
 Ny Tompo nandresy ny fahafatesana,
 Derao ny Fanahy nananganana antsika,
 Ho mandrakizay ka ho mandrakizay.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 181
Fihirana Dera p. 278
Fihirana Hasina p. 242
Fihirana Vaovao p. 146
Vavaka sy Hira p. 335
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102