Teraka ho antsika i Kristy

Teraka ho antsika i Kristy, avia re hitsaoka azy.
 
1 Hobio izy Tompo, ry tany tontolo,
 Ka fo falifaly anompoana ny Tompo.

2 Tongava eo aminy mihira, miravo.
  Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra!

3 Fa azy isika satria nohariany
 Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.

4 Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
 Ny ao an-kianjany idiro amin-dera,

5 Derao izy Tompo, ny anarany isaory.
 Miaiky isika fa tsara ny Tompo,

6 Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
 Am'taona rehetra ny fahamarinany.

7 Andeha isika hiara-mitsaoka ny Tompo,
 Hihoby 'lay Zanany ombam-pahefana,

8 Derao ny Fanahy manamasina antsika.
 Manentana antsika hihoby ny Tompo.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Noely - Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 334
Fihirana Dera p. 299
Fihirana Hasina p. 240
Fihirana Vaovao p. 29
Vavaka sy Hira p. 333
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011