Nomen'Andriamanitra antsika

Nomen'Andriamanitra antsika ny anarany,
Fa fianakavian'Andriamanitra isika. (Apok. 14, 1)

(Sal. 99)
 
1 Hobio izy Tompo, ry tany tontolo,
 Ka fo falifaly anompoana ny Tompo,
 Tongava eo aminy mihira, miravo.
 
2 Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra,
 Fa azy isika satria nohariany
 Sy tena vahoakheriniaina eugeneany, ondry fiandriny.
 
3 Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
 Ny ao an-kianjany idiro amin-dera:
 Derao izy Tompo, ny anarany isaory.
 
4 Miaiky isika fa tsara ny Tompo,
 Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
 Am'taona rehetra ny fahamarinany.
 
5 Andeha isika hiara-mitsaoka ny Tompo,
 Hihoby 'lay Zanany ombam-pahefana,
 Derao ny Fanahy manamasina antsika.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 238
Fihirana Hasina p. 240
Vavaka sy Hira p. 332
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009