Mba tsarovy aho, ry Tompo

Mba tsarovy e, mba tsarovy aho, ry Tompo,
Rahefa tonga any am-panjakanao ianao. (Lk. 23, 42)

(Sal. 98)
 
1 Fa manjaka Andriamanitra Tompo,
 Ka mangovitra erý ny vahoaka,
 Kerobima no toeran'ny Tompo,
 Ka ny tany avy koa no mivena.
 
 Ao Siôna ny Tompo Tsitoha,
 Avo noho ny vahoaka rehetra!
 Ka derainay ny anaran'ny Tompo:
 Mahatahotra, Masina indrindra.
 
 O, ry Tompo, Mpitsara mahery,
 Orim-baton'ny rariny ianao!
 
2 I Jakôba efa najoronao,
 Itsaranao ny tany tontolo,
 Asandrato Andriamanitra Tompo,
 Ny fitoeran'ny tongony ihohofy!
 
 Fa satria izy Masina indrindra,
 Samoela, Môizy, Aarôna,
 Raha niantso azy dia novaliany,
 Tao anaty andry rahona fotsy.
 
 Ka nitandrina izay nolazainy,
 Sy nandray ny lalàna nomeny.
 
3 Eny, ry Andriamanitra Tompo,
 Novalianao tokoa izy ireo,
 Lefitrao 'zay rehetra nataony,
 Faizinao kosa ireo hadisoany.
 
 Asandrato Andriamanitra Tompo,
 Ka ny Vohitra masiny ihohofy!
 Fa satria izy Masina indrindra,
 Asandrato ny Tompo Mpamonjy.
 
 'Lay nanafaka antsika amy sazy,
 Ary koa manamasina antsika.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 225
Fihirana Hasina p. 238
Vavaka sy Hira p. 331
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.025