Midoboka toa ranomasina

Midoboka toa ranomasina,
Ny feon'i Kristy Tompo,
Mahatsangana ho velona
Izay nodimandry.

(Sal. 92)

1 Andriana manjaka ianao, ry Tompo,
 Mitafy ny hery tsy hay tohaina;
 Ny zava-drehetra harin-tananao
 Tomombana fatratra, tsy mivena.
 
2 Mirafitra mafy ny rovanao,
 Fa manda miorina tsy mikoro;
 Hatrany am-boalohany teo ianao,
 Ho mandrakizay re tsy hanam-petra.
 
3 Ny ony, ry Tompo, manandra-peo,
 Mandefa ny onjany hiraondraona,
 Midoboka mafy ny feon-driaka:
 Manoatra an'ireny ianao Tomponay!
 
4 'Reo teny rehetra voalazanao
 E, lalina, marina, tsy mivaona;
 Ny fahamasinana feno haja
 Manerana izany fonenanao.
 
5 Isaory ny Ray loharanon'aina,
 Ny Zanany tokana 'zay mpandova;
 Natolony antsika ny fanjakany,
 Satria ny Fanahiny momba antsika.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 173
Fihirana Hasina p. 234
Fihirana Vaovao p. 443
Vavaka sy Hira p. 324
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092