Eo aminareo mandrakariva aho

Eo aminareo mandrakariva aho,
Ka tsy hisy hahasarika anareo
Eo an-tanan'ny Ray. (Mt. 28, 20)

(Sal. 89)
 
1 'Zany izaho raha mialokaloka ao an-tranon'ilay Avo,
 Velon-toky tsy manahy fa alofanao, ry Tompo!
 "O ry Tompo fialofako sy mandako", hoy aho,
 Andriamanitra itokiako marimarina tokoa.
 
2 Fa ny Tompo no mpanafaka amy fandrika mandavo
 Sy manakana, manohana fiadiana mety hamono,
 Eo ambanin'ireo elany no anaronany anao,
 'Zay matoky tsy manahy fa efa tsara fambombana!
 
3 Fa ny sandriny dia zary fiadiana toy ny ampinga
 Ary 'zany fahamarinany moa tsy 'lay fiarovan-tratra:
 Na raha alina ka tojo 'rony amboa manao andia,
 Na antoandro mifanehatra amim-borona mahery!
 
4 Na misoko te handringana am'ny haizina ny loza,
 Tsy hangovitra, tsy hatahotra, tsy hihontsona ianao.
 Tazanao mianjerazera eo ankavia ny arivoarivo,
 Ankavanana alinalina midaraboka sy lavo!
 
5 Eo anivon'izy ireny ianao mijoro tsy mirona,
 Tsy voakasika, tsy taitra, tsy miraika fa voaaro;
 Etsy kely ange ianao ka ahirato 'zany maso,
 Dia indreny tazanao, fa voasazy ny olon-dratsy!
 
6 Ilay Avo no nataonao fialofa-mahatoky,
 Fiarova-mahavonjy sady fefinao hatrany!
 Ka ny tena tsy mba tran'irony loza mahafaly;
 'Zay antambo koa tsy hiditra ny trano itoeranao!
 
7 Fa nomeny baiko, manko, ny anjeliny rehetra
 Mba hanampy anao ho tody soa aman-tsara an-tranonao
 Voahitsakitsakao ny bibidia sy menarana,
 Ny fananom-pitoloha indro torotoronao!
 
8 "Fa matoky ny fitiavako izy, hany ka vonjeko;
 Nahafantatra ny anarako: tsenaiko famonjena.
 Hovaliako raha miantso, hovonjeko raha mijaly;
 Raha tojo fitsapana, tsy havelako hanirery!
 
9 'Zaho ho tonga hanafaka azy eo anivom-pahavalo;
 Sy ho avy hanandratra azy eo anivom-pahoriana,
 Ka homeko tombon'andro sesehena koa izy;
 Hanehoako 'zany vonjiko fa sitrako izany!"
 
10 E, tongava, ry vahoaka, mba hidera sy hisaotra,
 Fa ny Ray no fiarova-mahatoky sy mitahy,
 Sy ny Zanaka nasandrany ho mpandresy 'rony ratsy,
 Ny Fanahiny nomeny tsy hisaraka amintsika.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 262
Fihirana Dera p. 279
Fihirana Hasina p. 230
Fihirana Vaovao p. 541
Vavaka sy Hira p. 320
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088