Jerosalema ô, tanàna masina

(Sal. 86)

Jerosalema ô, tanàna masina e,
Fonenan-drazanay.
 
1 Sitraky ny Tompo, ry Siôna,
 (Ny) manamafy ny fonenanao
 Eo an-tendrombohitra masina
 Nanorenan'i Iaveh anao.
 
2 Ny tanànanao, ry Siôna,
 No tena sitraky ny Tompo:
 Tsy atakaloko hafa ianao,
 'Reo hafa vohitr'i Jakôba.
 
3 Zavatra malaza no lazaina
 Momba anao, ry Jerosalema:
 Voninahitrao no deraina,
 Ô Siôna vohitr'i Iaveh.
 
4 Ry Siôna tena renivohitra,
 Samy terakao ny firenena:
 Fa ny Tompontsika no nilaza,
 Nanamafy ny toeranao.
 
5 'Zao no nosoratan'izy Tompo
 Eo am-panisana ny vahoaka:
 Zanakao ny firenen-drehetra,
 Ry Siôna vohitra soa.
 
6 Sady velon-kira no mandihy
 Ny vahoaka miara-miantsa;
 'Ndray midera anao manao hoe:
 O Siôna tanindrazanay.
 
7 Ho an'ny Ray anie voninahitra,
 Ho an'i Jesoa Zanaka ny dera,
 Ho anao Fanahy Mpanamasina
 Voninahitra mandrakizay. 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 53
Fihirana Hasina p. 227
Fihirana Vaovao p. 187
Vavaka sy Hira p. 315
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215